Raikitra ny fanagadrana ireo olona manaratsy na manakiana ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, ka olona mpivady no indray nidoboka vonjimaika eny Antanimora ny herinandro teo. Fampiharana ny lalàna mikasika ny heloka amin’ny “internet” sy ny tambajotran-tserasera na ny “cybercriminalité” no antony.
Amin’ny lafiny iray, dia anatra ho an’ny hafa io mba hitandrina amin’ny fanehoan-kevitra sy mety ho zavatra tsy mendrika havoaka satria efa avo lenta ny fitaovana hahafahana manatratra ny mpanao ireny. Na izany aza, tsikaritra fa manomboka tsy mahazaka kiana sy mampihorohoro ny fitondram-panjakana ankehitriny matoa manomboka managadra olona, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa any anaty tambajotran-tserasera. Tsy sanatria manamaivana ny mety hambara fa fanompana nataon’ireo mpivady tamin’ny alalan’ny Kaonty tsy tena izy na “compte fake”. Fanompana ve hisy ohatra ny natao teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ny volana mey 2018 tamin’ny alalan’ny vatam-paty miaraka amin’ny voninkazo nilazana fa “fanaovam-beloma an-dRajao” ? Tena fanozonana sy fanompana ankitsirano ilay filoham-pirenena am-perinasa ireny, izay ny MAPAR no tompon’antoka voalohany. Tsy vaovao amin’ny rehetra rahateo ny “kifatifaty” fanaon’izy ireo, izay tsy dia mety loatra amin’ny Malagasy saingy misy angamba ny ambony lalàna sy ambanin’ny lalàna eto. Hatramin’ny vadin’ilay filoha dia ambetin-dresaka tamin’ny haino aman-jery samihafa nandritra ny dimy taona. Firifiry moa ny fanaratsiana sy fanompana an’i Marc Ravalomanana mivady tamin’ny alalan’ny sary mamoafady sy miendrika kivetaveta izay mitohy mandrak’androany, fa nangina izy raha toa ka mety faly sy nibitaka kosa ny mpanao izany ? Mitohy hatramin’izao ireny zavatra mamoafady ireny, fa izay mahalasibatra an-dRajoelina ihany izany no handraisana andraikitra ? Ireo filoha roa nifanesy tao alohan-dRajoelina, dia nohenjehina fatratra tamin’ny haino aman-jery nandritra ny 10 taona sy 5 taona. Noharatsiana, nosoketaina, nompaina mihitsy aza ary izay mahalala tsara ireo olon’ny fitondrana ankehitriny nanao izany. Tsy sanatria mankasitraka ireny toe-javatra mamoafady ireny, fa ilay toe-tsaina manao vain-drahalahy tsy mba maharary sy ny mizana tsindrian’ila kosa mba tokony hovaina e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.