Omaly alatsinainy antoandro 8 jona no nandrenesanay tamin’ny onjam-peo fa hakatona ny onjam-peo Viva any amin’ny faritany samihafa, hoy ny depiote Ramaherijaona Hajanirina avy any Tsiroanomandidy
. Nahazo fanamarinana tokoa izahay ny takariva fa naharay taratasy ny amin’izany ny Viva foibe eto Antananarivo. Azo ambara fa fiantombohan’ny fionganan’ny fitondrana misy ny toe-javatra tahaka izao ka tokony hieritreritra ny mpitondra amin’ny zava-misy, hoy ity solombavambahoaka ity. “Tsy mbola tonga tany amin’ny Viva ilay taratasy nanao fampitandremana fa tokony hampitsahatra ireo fandaharana ao amin’ny ny onjam-peo Viva miisa 11 manerana ny Nosy dia efa niantso ny minisitra tompon’andraikitra izahay, hoy ny depiote Lanto Rakotomanga avy ao amin’ny Boriborintany faha-2 eto Antananarivo, ka nilaza fa aleo mifampiresaka. Amin’ny maha solombavambahoaka ny tena, hoy izy, dia sahiko ny milaza fa tokony hahay mandray lesona isika mpitondra fanjakana. Raha ny zava-misy mantsy amiko, dia misy ambadika politika ity resaka ity ka raha tiana ny hisian’ny tamin’ny taona 2009 dia ho avy izany. Samy miantso ny vahoaka ho tony isika nefa raha misy fiziriziriana dia ho avy izahay”. Tsy hankatsitrahan’ny vahoaka any amin’ny faritra izao faniriana hanakatona onjam-peo mba hanarahany ny vaovao marina manerana ny nosy izao, hoy ny depiote Maharamby Ndalana Espérant avy any Antanambao Manampontsy fa ny faniriana aza dia ny mba hahatongavan’ny onjam-peo hafa toy ny RTA na Record sy Dream in na Ma-tv sy Kolo Tv mba ho tonga any amin’ny faritra rehetra. Vaovao farany narahina tamin’ny fahitalavitra tsy miankina teto an-drenivohitra halina tamin’ny 10 ora ny nisian’ny fanakanan’ny mpitandro ny filaminana ny fiara nentin’ny solombavambahoaka hosavana fa hoe mampiahiahy ny fihetsika niseho. Nambaran’ny kaomisera nitarika ny fanakanana fa “contrôle routine” fanao amin’ny alina no nataon-dry zareo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.