Tsy mbola eny am-pelatanan’Atoa Marc Ravalomanana, dimy volana aty aorian’ny nahatongavany eto Madagasikara, ny pasipaorony fa dia mbola giazan’ny fanjakana Malagasy. Manjavozavo ny fanazavana avy any amin’ny mpitondra fanjakana momba ity pasipaoron’i Dada ity ary miala bala amin’io fanontaniana io hatrany ireo teknisianin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny raha vao tafaresaka amin’ny mpanao gazety.
Kibay an-kelika ihany ?
Tsotra no mety ho anton’izany dia satria misy ny baiko avy any amina manampahefana goavana milaza fa tsy mbola azo omena ilay pasipaoro. Manampy izany dia tsy mbola azon’ity filoha teo aloha ity atao ny mivoaka sy miriaria eny rehetra eny tahaka ny olom-pirenena, tsy mahazo maneho hevitra ihany koa ny tenany, ary voafetra ihany ny olona afaka mihaona aminy. Raha tsorina ny resaka dia nifindra eny Faravohitra izany ny fonja hihazonana an’i Marc Ravalomanana, ary tsy izy no tompon’ny fanapahan-kevitra momba izay zavatra ataony. Mahagaga ny mpanara-baovao ihany ny zava-misy satria efa ao anatin’ny hetsika fampihavanam-pirenena isika amin’izao fotoana. Olona hihavana ve dia tsy hifampatoky ? Hatreto, tsy nanana fanazavana matotra ny fitondram-panjakana amin’ny tsy fanomezana pasipaoro an’i Marc Ravalomanana. Tsy nisy didim-pitsarana raikitra nanameloka an’ity filoha teo aloha ity ka hoe azo gadraina izy,olona tsy mbola very zo izy noho izany ; tsy atahorana ny hoe hitsoaka any ivelany koa anefa izy satria izy aza efa aman-taonany no nikaroka ny fomba hiverenana eto ka inona indray moa no antony hitsoahany any ivelany.Azo ambara noho izany fa tsy rariny ary tsy mitombina ny fanagiazan’ny fitondrana malagasy ny pasipaoriny.
Vao miha natanjaka
Moa ve tena Atoa Hery Rajaonarimampianina mihitsy no manome ny toromarika fa tsy azo omena pasipaoro i Marc Ravalomanana sa iza ? Na eny na tsia ny valin’io fanontaniana io dia samy zava-doza satria, izay iray alehany na mody mihavana fotsiny ilay filoham-pirenena milaza fa raiamandrenin’ny malagasy fa manao kibay an-kelika ihany na filoham-pirenena tsangan’olona fotsiny izy fa tsy manana fahefana hanapa-kevitra amin’ny raharaha rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana akory. Azo eritreretina ihany koa ho matahotra mafy ny mbola tanjak’i Marc Ravalomanana sy ny fitiavan’ny olona azy ny fitondran’ny HVM fa miezaka ny hifehy azy araka izay takatry ny sain’izy ireo. Paikady izay diso lalana satria mety vao miha aza hampitombo ny fitiavan’ny olona an’i Dada io antsojay atao aminy isaky ny mihetsika io. Efa tena mibaribary be fa maro ireo toran-kovitra vantany vao nahafantatra fa tafaverina i Dada, na dia efa nandaniana ron-doha, vola aman-karena aza ny fanapotehana azy. Samy mahatsapa tsara ny fahamarinan’ilay tenin’i Marc Ravalomanana teny Ivato ny 25 janoary 2009 angamba izao ny rehetra. Hoy indrindra izy tamin’izay : « tsapao tsara aloha ny force-nao vao mitsapatsapa ny aty… ». Enin-taona aty aoriana, mazava ny resaka fa mbola matanjaka i Marc Ravalomanana ary vao miha nampitombo ny fahaizany sy ny traikefany aza ny fotoana lava niainany an-tsesitany. Manampy izay noporofoiny ny maha olon’ny fahasahiana azy tamin’ny fiverenany tampoka teto Madagasikara, fiverenana izay tena mbola mistery ho an’ny rehetra hatramin’izao ny nanatanterahany azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.