Politique

Fanadiovana sy fanatsarana an’Antananarivo Hita ny vahaolana, ho avy ny asa


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Vita iny ny fifanatrehana teo amin’ny fitondrana foibe sy ireo Ben’ny tanŕna manerana ny Nosy. Koa dia miroso amin’ny asa fikarakarana sy fampandrosoana ny tanŕna amin’izay manomboka izao ireto olom-boafidy tamin’ny 31 jolay ireto.

Misy ny vahaolana

Efa tena am-perinasa tanteraka raha ny eto Antananarivo Renivohitra. Maro ireo fitsirihana ny zava-misy eny amin’ny Boriborintany sy ny Fokontany eny ary efa fantatra ireo tena laharam-pahamehana dia ny fijerena akaiky ny sosialim-bahoaka, ny loto sy fikorontan’ny tanàna, ny gaboraraka sy fandikan-dalàna. Misy asa tena maika satria efa antomotra ny vanim-potoan’ny orana. Izany indrindra no anisan’ny anton-dian’Atoa Patrick Ramiaramanana any Alemaina izay lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna miandraikitra ny fotodrafitrasa, mpahay toekarena sy fitantanana no sady nandranto fianarana tany Alemaina rahateo. Miaraka aminy any an-toerana ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay tsara fifandraisana amin’ny Alemana ary mahita mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka maro any. Nihaona tamina teknisianina, tompona orinasa sy Ben’ny tanàna tany an-toerana izy ireo ka betsaka ny fiaraha-miasa sy ny mety ho vahaolana hita ho fanatsarana hatrany ny renivohitr’i Madagasikara.

Ohatra tsara, paikady mahomby

Anisan’ny sangany manerantany amin’ny fahadiovana sy filaminan’ny tanàna sy ny fanajana ny tontolo iainana i Alemaina, tompondakan’ny fikirakirana sy fanodinana ny fako koa ry zareo ary tena nikaroka ny paikady rehetra hifehezana ny fako. Miteny ho azy ny tarehimarika :104 kilao isan’olona isan-taona ny fako narian’ny Alemana any amin’ny dabam-bako ny taona 2004 , nihena ho 3 kg isan’olona isan-taona izany ny taona 2007 raha toa ka 213 kilao isan’olona isan-taona ny salanisa ho an’ny vondrona eoropeanina. Ary tanjona ho an-dry zareo Alemana ny tsy misy manary fako intsony amin’ny 2020. Tsy misy akory ny fahagagana fa azo alain-tahaka ary hampiharina eto Antananarivo Renivohitra, eny amin’ny tanàna rehetra manerana ny nosy io politikan’ny fikirakirana ny fako nataon’ny Alemana io. Avahana tsara aloha ireo sokajina fako fa tsy afangaro voraka, misy avy eo ny toerana manokana famotehana, na fandorana na fanodinana indray azy ireo ka azo hanamboarana akora hampiasaina indray izany avy eo. Famatsiam-bola, fitaovana ary fanampiana ara-kevitra sy paikady hoenti-miasa hahazoana vokatra mivaingana ary mahomby amin’ny fanatsarana ny tanàna sy ny fiainan’ny mponina ao aminy no anton-dian’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Patrick Ramiaramanana avy ivelany, ary ho hita eo ny voan-dalana amin’ny fiverenan’izy ireo an-tanindrazana.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT