Politique

Fampivondronana ireo Ben’ny tanŕna Betsaka indray no niesona omaly


  • Talata 13 Oktobra 2015

Mibaribary indray fa tsy nitana ny teniny ny Fanjakana nilaza ny hamory ireo Ben’ny tanŕna manerana ny Nosy nanomboka omaly.

 

 Voasoratra mazava tamin’ny fampitam-baovao momba ny Filankevitry ny minisitra natao tamin’ny 23 septambra 2015, izay naparitaka tamin’ny mpanao gazety fa hotanterahina eto Antananarivo ny alatsinainy 12 ka hatramin’ny alarobia 14 oktobra 2015 ny fampivondronana ireo Ben’ny tanàna voafidy manerana ny Nosy, araka ny tolo-kevitry ny minisiteran’ny Atitany sy ny fanapariaham-pahefana.

Samy niandry ny rehetra fa tsy misy famoriana Ben’ny tanàna izany teto Antananarivo raha ny omaly alatsinainy 12 oktobra 2015 ity na efa misy Ben’ny tanàna mihaodihaody aza tonga eto. Siosion-dresaka no andrenesana fa amin’ny 16 sy 17 oktobra indray no hatao ny famoriana ireo Ben’ny tanàna ireo, ka eny Iavoloha ny andro voalohany, ary hitohy eny amin’ny CCI Ivato ny andro faharoa.

Resaka anjorony anefa izany, satria misy amin’ireo Ben’ny tanàna no milaza ho tsy mbola nahazo fanasana na fiantsoana mikasika io fampivondronana io, toa an’i Elysée Ratsiraka, Ben’ny tanànan’i Toamasina.

Miisa 1695 ireo Kaominina eto Madagasikara, ny 19 amin’ireo ihany no tsy mbola manana Ben’ny tanàna voafidy, satria haverina amin’ny 13 novambra 2015 ny fifidianana tany amin’ireo Kaominina ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT