Politique

Fampitambarana ny kaominina Ivato Tena hitondra fampandrosoana


  • Zoma 20 Martsa 2015

Olana nanakana ny fandrosoan’ny tanànan’Ivato Firaisana sy Ivato Seranana hatramin’izay ny fandinihana maimaika ireo faritra mampisaraka azy ireo. Niteraka disadisa hatrany teo amin’ireo mpitantana nifandimby ny tsy fahamatoran’ny famaritana ireo kartie ao anatin’ny kaominina isanisany.


 

 Raha fiaraha-miasa ho fampivoarana ny fiainan’ny mpiara-belona no nantenaina tamin’ny fisian’ireo kaominina roa vavahadin’i Madagasikara dia nanjaka tanteraka ny fifanilikilihana teo amin’ity sehatra ity. Tena sarotra, ohatra, ny fikarohana tanàna mpiara-miombon’antoka noho io fizaran’ny tanàna tsy voafaritra mazava io ary raha nisy aza dia nihemotra tamin’ny dingana efa nirosoana, hoy ny dokotera Ndimbisoa Mamy Andriamahafaly. Resy lahatra tanteraka kosa ny tenany fa tena hitondra fampandrosoana mirindra sy milamina ity fanapahan-kevitra hampitambatra ho iray ny kaominina Ivato ity. Vonona hamaly ny antson’ireo fikambanana sy antoko ary raiamandreny ao an-tanàna amin’ny fangatahan’izy ireo ho kandida ben’ny tanàna moa ity mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita sady efa nitantana ny kaominin’Ivato Firaisana teo aloha ity.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT