Politique

Fampitahana ny voka-pifidianana Tokony tohizana, hoy ny CFM


  • Alarobia 26 Desambra 2018

Nety, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM, Gerard Ramamimampionona, ny fihetsiky ny mpanaradia ny kandida laharana faha 25 raha

nanatona ny avy eo anivon’ny  CENI nangataka ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana. Fisaka ny marina, hoy ny soatoavina Malagasy, ka saro-tadiavina. Nanao antsoavo, araka izany, ity tomponandraikitra eo anivon’ny CFM ity mba hanohizana izay fampitahana izay anaty fitoniana. Zavatra efa fisaka, hoy ny tenany, tsy tsara raha tsy tony no mitady azy. Nety koa, hoy ny tenany, ny faneken’ny CENI hanao izay fampitahana izay saingy zavatra efa natomboka io ka tokony tohizana raha izay no ahitana ny marina. Ny eo anivon’ity vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ity moa, hoy izy, efa nanome toky raha nifampiresaka tamin’izy ireo ny tenako fa vonona ny hiroso amina dingana lalindalina kokoa. Ka maninona tokoa moa, hoy ity filoha lefitry ny CFM ity, raha ilaina mihitsy aza ny hoe fiverenana amin’ny fijerenana ny taratasy fanisam-bato aza tsy maninona. Izay no hanaovan’ny CFM antso avo, hoy izy, satria ilaina ny fananana izany fo tony izany amin’izao Noely izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT