Politique

Fampihorohoroana ao Morondava Tompon’antoka ny olon’ny MAPAR


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Zary lasa afobe ho an’ny vahiny sy ny mpizaha tany ny fihetsika mamoafady, nivaona tamin’ny hetsi-pitakiana momba ny fanenjehana olona voafonja nahazo fahafana vonjimaika sy ny fitakiana fisitrahana ranon’i Dabaraha tao Morondava nanomboka ny alakamisy 27

 

 

septambra, nivaona lasa fandrobana sy fanaovana fahirano eo anivon’ny fiarahamonina. Mbola nitohy ny fanakanan-dàlana sy ny fandrobana ireo fiara taksibrosy sy mpitondra mpizaha tany omaly, ary tonga hatramin’ny fitoraham-bato. Nisy mantsy ireo nihevitra fa mba efa milamina ny toe-draharaha, dia nivoaka sy nanohy ny asany, saingy tratr’izay ankasomparana izay. Nitady fiarovana teo amin’ny tobin’ny zandary no natao omaly.  Mikatso ihany koa ny asa fiveloman’ny sokajin’olona sasany, toy ny mpivarotra satria tsy milamina ny tanàna, ary mbola mihalohalo ao an-toerana ireo olona mirongo fiadiana sy ireo dahalo sy olon-dratsy nisy avy any ambanivohitra lavitra mihitsy. Natao antso avo tamina onjam-peo iray an’ny depiote MAPAR Hawel Mamod’Ali ny resaka fitarihana olona hikomy sy hanohitra fanjakana, ka izao no niafarany. Somary nasiana resaka foko, raha ny efa nambaran’ny manam-pahefana iray, dia ny hoe tongava daholo ny Tandroy izay manana olana, ary noventesina ny karazana fiantsoana fifankahalana na ny “incitation à la haine”. Raha hampahatsiahy ny zava-nisy tany Rwanda tany amin’ny taona 1992 nisian’ny ady an-trano lehibe isika, dia nampiasaina fatratra tamin’izany ny Radio des Milles Collines, nentina nivoizana ny famonoana ny Tutsi izay vitsy an’isa nanoloana ny Hutu, ka nalaza tamin’izany ilay fomba fiteny hoe: “Il faut tuer les cafards” na hoe “Andao hovonoina ireo kadradraka ireo” mantsy ny Tutsi. Izany ve no tiana halaina tahaka? Tsy dia lavitra tamin’izao no nanombohana ny raharaha 2009, ary nandeha ny resaka fanaratsiana sy fitaomana olona hikomy. Niitatra tamin’ny fandrobana sy rà mandriaka,… Sanatriavin’ny vava ve efa fiomanana amin’ny mety hafitsoka amin’ny fifidianana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT