«Aoka hataontsika Malagasy ny fampihavanana amin'ny lafiny rehetra mba hampihetsika ny hambompontsika
Ireo filoha dimy mirahalahy no tokony hanao ezaka voalohany amin'ny fampitaovana an'izany, arahan'ireo andrimpanjakana maro, indrindra fa ny FFM. Volantsika no tokony ho ao, ny soatovina no hodinihina, ny maha malagasy no hetsehina”, hoy i Nary Ravonjy, mitarika ny vovonana «Grand Pardon». Inoana marina, hoy ity farany, fa raha izany no ho tanteraka dia ho vita mora ny fampihavanana fa tsy ilana fanampiana avy any ivelany izay idiran'ny tsindry maro amin'ny endriny samy hafa ka tsy ho hita misongadina ny hambompo sy ny tena fitiavan-tanindrazana marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.