Tsy hiadian-kevitra lavabe intsony angamba fa dia efa tena tafiditra ao anatin’ny fampihavanam-pirenena tanteraka ny eto Madagasikara amin’izao fotoana, sambany nitovy hevitra taminy teo ka maromaroa ireo ankolafy politika, ary na ny fanjakana aza dia hita hoe miezaka ihany manaraka ity hetsika fampihavanana ity
Ny mampanahy kely fotsiny dia ny hoe : iza marina moa izany no fampihavanana tena izy e : ny an’ny FFKM , izay hita fa teamandeha tsara ankehitriny ve , sa ny an’ny FFM izay rafitra napetraky ny lalàna ary neken’ny rehetra ihany koa.Iza no arahan-teny, iza no tena to-teny amin’ireo rafitra roa misy ireo ? Ankoatr’izay mbola manitikitika ny saina ihany koa ny hoe :manao ahoan amoa izany ny fampiharaa ny lalàna na ny fanohiazana ny fampiharana ny lalàna amin’ireo olona manana raharaham-pitsarana.Anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana, tonga ve dia hifanaraana fa atao tahaka ny tsy misy ny fitsarana sy fiampangana maimaika azy tamin’ny 2009, ahantona ve sa omena famotsoran-keloka ve izy , sa ahoana ? Raha atao tokoa ilay 4F, ka misy olona izany miaky ny heloka nataony,mifona sy mibebaka imasom-bahoaka izy :hanaiky hamela heloka azy amin’ny fo madio tokoa ve ireo niharam-boina , ary aiza ho aiza ilay resaka ho fanonerana.Jerena hoe mandeha milamina ny dinika fampihavanam-prenena, saingy tsy zaatra mora io ary tena mila andinihana lalina, zava-dehibe ihany koa ny fifanarahana sy fikarohana marimaritra iraisana.Na inona na inoanmantsy miseho dia tsy maintsy hiafara amin’ny fifampiresahana hikarohana marimaritra iraisana foana ny resaka.Tsy mora izany hoe mihavana amin’ny fahavalo sy ny rafy izany, indrindra fa raha mandeha amin’ny herin’ny tenany manokana ny olombelona. Efa tena maha velom-bolo anefa ny filaminan’ny fifampiresahan’ireo ankolafy politika teny Faravohitra ary inoana fa samy te hikaroka vahaolana ny rehetra, dia ny famahana izao krizy izao, ny fandaminana indray ny fiarahamonina, ny famerenana ny fifampatokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny fampitsaharana amin’izay ny sangodim-panina politika noho ny ady seza sy ny fitiavana voninahitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.