Politique

Fampihavanana sy politika


  • Talata 28 Aprily 2015

Manatevin-daharana ireo milaza fa tsy resy lahatra amin’ny fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM ny ankolafy Zafy sy Rajoelina, tsy handray anjara amin’ny dinika sy ny asam-baomiera eny amin’ny CCI Ivato izany izy ireo

 


. Safidy ny azy ireo, mety paikady politika ihany koa ary efa fomba fiady mahazatra ihany, rehefa dinihana tsara ny zava-misy eto amintsika. Ny manitikitika ny saina fotsiny izao dia ny hoe : hanao inona indray ary izy ireo ? Tsy mety mifandamina ao anatin’ny fampihavanam-pirenena, milaza fa mivadibadika sy mamitaka ny mpitondra fanjakana, kanefa toa handray anjara amin’ny fifidianana kaominaly ihany. Tsy misy ny olona hitovy fomba fijery izany fa samy manana ny heviny io, zava-dehibe loatra kosa anefa ny tombontsoan’ny firenena ary tsy maintsy misy ny fandeferana raha toa ka tiana marina ny hisian’ny fitoniana eto. Misy koa anefa ireo mody milaza fa tsy handray anjara kanefa mandefa solontena ihany, dia mody lazaina fa tsy nahazo alalana ireny fa mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Efa natsidika tany am-panombohana fa fiandohana ihany izao fa maro ny dingana tsy maintsy mbola lalovana. Tsy ao anatin’ny herintaona no hamahana ny olan’ity firenena ity sy hampisinda tanteraka ny disadisa rehetra teto, fa ny zava-dehibe aloha dia ny fahavononana hikaroka ny vahaolana, ireo izay tsy te hikaroka dia tompon’andraikitra amin’ny safidiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT