Politique

Fampihavanana fa tsy fanagadrana


  • Zoma 14 Novambra 2014

Tsy misy fampihavanana vita eto raha arahana ara-bakiteny ny didy aman-dalàna. Io no tenin’ny filohan’ny FFM ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain omaly.Teny mampieritreritra ary tokony hodinihan’ny tsirairay voakasika mivantana amin’ny fampihavanam-pirenena

Toa tahaka ny efa manomana ny sain’ny rehetra sahady ny filohan’ny FFM fa ajanona mihitsy aloha ireo raharaham-pitsarana nitranga taorian’ny krizy 2009 ka efa namoahana didim-pitsarana, eny fa na dia mbola didy tsy raikitra aza izany. Hita tokoa aloha fa tsy lôjika ilay hoe avoaka ny gadra politika, misy ny olona mahazo famotsoran-keloka, kanefa misy ihany koa no tsaraina sy ampidirina am-ponja noho ny fifandirana politika nisy teto. Mby tonga a an-tsaina avy hatrany ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay nomelohan’ny fitsarana nandritra ny fitondrana tetezamita hiasa an-terivozona mandrapahafatiny ; ary gadrain’ny fitondrana any Antsiranana ankehitriny .Izy anefa dia voalaza fa anisan’ireo tsy maintsy handray anjara mivantana amin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena .Koa tsy efa mazava ve izany ny resaka fa tsy maintsy avotsotra atsy ho atsy ary hiverina eo amin’ny sehatra politika ity filoha teo aloha ity. Tsikaritra ihany koa fa nifanandrify tamin’ny fahatongavan’ireo iraky ny SADC teto Antananarivo no nanambaran’ny filohan’ny FFM hoe : « tsy misy fampihavanana vita raha arahana ara-bakiteny ny lalàna ».Tsy misy ny kisendrasendra amin’ny politika, azo antoka noho izay fa efa nisy ny fifampiresahana avo lenta fa ny fomba hanatanterahana ilay fifanarahana sisa no atao tsimoramora izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT