Politique

Fampihavanana arahin’asa


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Na dia tsy mbola fantatra mazava aza izay ho tohin’ny raharaha Marc Ravalomanana, noho ny tsy fiasian’ny serasera ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana dia hita fa nosokajian’ny fanjakana ho tahaka ny gadra mihitsy ity filoha teo aloha ity.

Sokajiana ho ao anatin’ireo gadra atahorana hahavanon-doza matoa sakanana tsy hihaona amin’ny fianakaviany sy ny mpiara-dia aminy ary ireo mpisolo vava azy. Efa niresaka taminy anefa ny filoham-pirenena, dia tsy nisy marimaritra niraisana azo nifandaminana mihitsy ary ve ? Mampanahy ihany ny zava-misy eto satria hita ho manao mpitari-bato vilam-bava ny mpitondra, milaza fa atao ny fampihavanam-pirenena kanefa mandeha ihany ny fingampingana isan-karazany. Efa tsy misy adihevitra be fa tsy maintsy mandray anjara amin’ny fampihavanam-pirenena i Marc Ravalomanana, fa na izany aza tsy kely lalana ny ratsy ary tena misy ny mikononkonona zavatra hafahafa any ambadika any. Raha tena mijoro ho raiamandreny marina ny filoham-pirenena, dia fihetsika mendrika voalohany tokony hataony ny mamela malalaka ny fianakaviany hitsidika an’Atoa Ravalomanana any Atsiranana, aorian’izay dia dinihana faran’izay haingana ny famerenana azy eny an-tranony eny Faravohitra sy ny fiarovana azy, satria efa hatramin’ny 2009 no tena nisy tokoa ireo nikasa ny hamono ny filoha Ravalomanana ka nahatonga azy tsy maintsy niala teto Madagasikara. Tsy kabary na fampanantenana fotsiny ny fampihavanana fa mitaky asa maromaro, ka hatomboka marina ary ve ilay izy sa ahoana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT