Nitohy omaly tolakandro teny Faravohitra ny fihaonan’ny FFKM tamin’ireo solontenan’ireo filoha 5 izay tafiditra ao anatin’ny dingan’ny fampihavanam-pirenena. Tsy nisy nipika ny resaka natao tao, nanamarika ry zareo mpikarakara izany hoe ny FFKM
fa efa nisy ny fifampifehezana napetraka mialoha ny dinika ka anisan’izany ny hoe : tsy misy maneho hevitra momba ny zavatra noresahana mihitsy aloha ireo ankolafy 5. Ary raha misy ny zavatra tokony holazaina dia ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM ihany no manao izany. Ny hany fantatra fotsiny dia samy mazoto amin’ny fifampiresahana ary manaiky ny fomba itantanan’ny FFKM ilay fampihavanam-pirenena, hatreto aloha ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy, Rajoelina sy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana matoa samy tonga teny Faravohitra. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia mazava ny resaka teny amin’ny Magro omaly : avotsotra aloha ny filoha Ravalomanana, avela hody malalaka eny Faravohitra izay vao miroso lalindalina kokoa amin’ny fampihavanana. Ny Mapar misolotena an’i Andry Rajoelina indray dia mangataka ny hanitarana ny fampihavanana fa tsy hijanona amin’ireo ankolafy 5 ireo fotsiny. Anisan’ny tanjona goavan’ity hetsiky ny FFKM ity moa ny fampihaonana ireo filoham-pirenena 5 nifandimby teto.Hita ho milamina hatreto aloha ny hetsika famihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.