Manomboka mampahatsiahy ny zava-nisy nandritra ny tetezamita ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny, dia ny fitakiana sy fitokonana tsy ahitam-bahaolana matotra etsy sy eroa
, ny fanampenam-bava sy fanakatonana haino aman-jery, ny fisamborana ary miakatra fitsarana avy hatrany ireo izay sahy mijoro miteny ny marina sy miaro ny zony. Etsy an-kilan’izay, maro ireo mpitondra fanjakana ambony manao vava be na teny an’avona manoloana ny fanehoan-kevitry ny olona, misy amin’izy ireo mihitsy aza no mandrahona. Sarotra ny hisian’ny fitoniana ao anatin’izany
Tapaka ny fifampidinihana
Toy ny tsy misy ilay fampihavanam-pirenena natao, nampirimina ary tsy noraharahaina ny fehin-kevitra nivoaka teny amin’ny CCI Ivato avy amin’ny olom-pirenena nisolotena ny faritra 22, kanefa rafitra tahaka an’io ihany no namoahana ny lalàmpanorenana ampiasaina amin’izao fotoana. Mbola mitoetra ny fifanandrinana eo amin’ny samy andrim-panjakana. Re izao fa mbola mikasa ny hanao fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra indray ireo solombavambahoaka. Ady sy fifanandrinana no hita, maha kely finoana ny hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Hisisihana atao ihany anefa ny fifidianana kaominaly ao anatin’izany savorovoro maro lafy izany. Nilaza fa ho raiamandrenin’ny malagasy rehetra, hitandrina toy ny anakandriamaso ny fihavanana ary hitarika ny fampihavanam-pirenena ny filoha Hery Rajaonarimampianina vantany vao nandray fahefana. Tsy izany anefa ny zava-misy fa na ny ekipany miara-miasa akaiky aminy aza tsy voafehiny sy manaotao foana ary manome fahasorenana ny hafa, izy tenany rahateo toa manomboka be vava ihany koa ary tsy mampiseho fahavononana hifampiresaka amin’ny hafa mihitsy. Tsy hisy asa ho vanona anefa eto raha mbola misy ny fifampihantsiana sy ny fifanenjehana, tsy misy asa mandroso ao anatin’ny ahiahy izany fa ilaina ny fampihavanana tena azy, amin-kitsim-po ary ao anatin’ny fifanajana.Vonona amin’izany ve ny rehetra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.