Politique

Fampihavanam-pirenena Vao ny famotsoran-keloka no tontosa


  • Alarobia 07 Oktobra 2015

Nifantoka betsaka tamin’ny famotsoran-keloka ny dingana tontosa teo amin’ny fampihavanam-pirenena. Maro anefa ireo ventin-kevitra tsy voaresaka mihitsy nandritra ireo karazana fifampidinihana sy fikaonan-doha samihafa notanterahana teto amin’ny firenena teo ambany fitantanan’ny Filankevitry ny Fampihavanana

 

 

Malagasy sy ny fitarihan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. Anisan’izany ny mikasika ny fanonerana ireo niharam-boina na koa ny hetahetan’ireo sokajin’olona samihafa hanova ny Lalàmpanorenana noraisin’ilay komitin’ireo manampahaizana hisahana ny fananganana ny komity ho an’ny Fampihavanana Malagasy nandritra iny herinandro nivalona iny. Ny CFM izay handray an-tanana ny fandrafetana ny asa fampihavanam-pirenena aorian’ny volana martsa 2016, fe-potoana farany mamarana ny 3 taona iasan’ny FFM. Tanjona goavana moa ny ahazoana volavolan-dalàna mifehy ny fampihavanam-pirenena hodinihan’ny Antenimieram-pirenena aorian’ny fandravonana ireo soso-kevitra avy amin’ireo solontenan’ireo hery velona misy eto amin’ny firenena. Miankina betsaka amin’ny famatsiambola kosa ny fikasan’ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ireo manampahaizana hidina ifotony any amin’ireo faritra 22, hoy ny mpikambana tangalamena Zakariasy Patrick.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT