Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy olana ny fidiran’ny vahiny, hoy ny CRN


  • Talata 15 Mey 2018

Isika tsy nanaja ny sonia natao sy ny teny nomena no olana tsy mahatontosa ny fampihavanana sy ny fivoahana amin’ny krizy hatramin’izao, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CRN, Tabera Randriamanantsoa.

 

 Avereno aloha ny toe-tsaina malagasy manaja ny teny nomeny. Tsy olana ny fidiran’ny vahiny hiara-kandamina eto satria isika samy isika aza tsy mahay mifandamina. Lasa fifampihantsiana foana no misy. Tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifampiresahana. Ny vahaolana maharitra dia ny fiaraha-mitady fifanarahana azo atao hitondrana ny fiarahamonina eto. Na ny repoblika ary eto aza tsy mbola ifanarahana. Tena 26 jona tokoa ve no tokony ho fetim-pirenena ? Tsy mbola tafatsangana ny firenena Malagasy (Nation) fa tanin’ny Malagasy no misy hatreto (pays). Raha mankany amin’ny faritra ny avy eto afovoan-tany dia vahiny no hiantsoana azy. Toy izany koa ny avy any raha mankaty. Fananganana firenena mihitsy no ilaina eto fa tsy mbola misy fanorenana azo atao akory.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT