Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy misy antenaina amin’i Hery Rajaonarimampianina


  • Alatsinainy 11 Aogositra 2014

Tandindomin-doza ny fampihavanam-pirenena efa mitsipozipozy. Asa na vizan’ny dia na nokakerin-javatra avy any amin’izany nalehany tany ny filohan’ny Repoblika faha-4 fa namoaka teny tsy voahevitra sady tsy mendrika ny maha raiaman-drenin’ny firenena azy.

Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny heviny mikasika ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana farany teo naneho ny tsy fahafaliana manoloana ny fihetsiky ny fitondrana tarihiny mantsy ny tenany, teo ampahatongavana teny Ivato ny marainan’ny sabotsy teo, dia tamin’ny teny somary an’avona no nilazan’i Hery Rajaonarimampianina fa «heveriny angamba fa azy (Ravalomanana) i Etazonia». Teny izay heverina fa mahalaza zavatra betsaka amin’ny hoavin’ny fampihavanam-pirenena nofinofisin’ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena hotanterahina ato ho ato. Aza adinoina anefa fa tsy ny Magro irery intsony no mitaky ny fiverenan’ny filoha teo aloha hiverina an-tanindrazana, fa efa ny rehetra mihintsy eny hatramin’ny iraisam-pirenena aza no manery ny hamelana azy hody an-tanindrazana tsy misy fepetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT