Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy mazava ny paikady sy tanjona


  • Talata 22 Mey 2018

Tafatsangana ao anatin’ny CFM izany iny ny komity teknikan’ny fampihavanam-pirenena misy ny solontenan’ireo 4 mirahalahy mpitondra fanjakana teo aloha.

 Maromaro ihany ireo karazam-baomiera natsangana tato anatin’ity komitin’ny fampihavanana Malagasy ity izay saingy hatreto aloha dia tsy hita mazava ny paikady sy ny vokatra mivaingana nentiny. Mbola mampametra-panontaniana koa ny mikasika ny tanjona tena tiana hitodihana amin’ity fampihavanana tarihin’ny CFM ity. Ahoana no hahatongavana vetivety amin’ny fampihavanam-pirenena raha toa ka izay maneho hevitra rehetra mbola samy hivohy ny faritra niaviany foana ? Ekena fa misy solontenan’ireo faritra 22 ao anatin’ny CFM saingy ilaina ve ny mampatsiahy izay faritra niavian’ny tsirairay izay rehefa manao antso avo handamina ny faritra niavian’ny mpikambana sasany ao anatin’izy ireo ny CFM ? Toa mahalasa saina ihany ny maheno hoe : “Ry filoha Maka Alphonse, aza adinoina fa zanak’ananona ianao…” na “zanak’izatsy…”. Sao mba soso-kevitra azo hampiharina ihany na tokony hampiharina mihitsy mba hahatongavana amin’ny fampihavanana tena izy tokoa ny an’ireo mpandinika sasany milaza fa foanana ireo fikambanam-paritra rehetra misy toy ny fikambanan’ny terak’Imerina, Vakinankaratra, zanak’i Toliara, zanak’i Toamasina sy ny hafa rehefa fa mba voizina amin’izay fa iray ihany rehefa Malagasy ! Efa fanazavana matetika sy heno miverimberina foana fa ny frantsay no nivoy io resaka fiaviana io nialoha ny nambaboany antsika teto. Tsy taiza akory no nivoahan’ny “Merina malama loha” na “Betsileo jokotsorika” na koa “Tandroy fangalarina” fa tany anatin’ireo rakitsora-pandinihana frantsay an’ilay sampana antsoina hoe ORSTOM ihany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT