Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy hihemotra intsony ny FFKM


  • Zoma 20 Febroary 2015

Hanomboka amin’ny fomba ofisialy anio zoma 20 febroary 2015 etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny fampihavanam-pirenena handraisana ny hevitry ny faritra izay tarihan’ny FFKM, ka handray anjara amin’izay ireo solontena isam-paritra manodidina ny 300 isa eo ho eo.

Samy tsy hanatrika izany intsony ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ary ny profesora Zafy Albert ; tsy handefa solontena ihany koa izy ireo. Ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izany sisa hatreto aloha no mandray anjara feno amin’ny fampihavanam-pirenena.

Tombontsoa ambonin’ny firenena

Efa vita moa ny  fihaonan’ireo  filoha dimy mirahalahy fa miditra amin’ny fihaonana isam-paritra amin’izay izao, samy manantena ny rehetra fa hiantraika any amin’ny vahoaka Malagasy ny fampihavanam-pirenena ary hamaha tokoa ny krizy. Na dia eo  aza ny tsy fitovian-kevitra dia hita fa mandeha ny fampihavanana raha ny fijery azy ety ivelany. Mbola vao niala tamin’ny krizy ny firenena koa tokony ho ny tombontsoan’ny vahoaka no banjinina fa tsy ny tombontsoan’antoko na ny ankolafy. Ankoatra izay, tsy tokony hohadinoina fa tohanan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ity fampihavanana ity, ary fepetra napetraka mba hivoahan’ny famatsiambola. Hanomboka izany ny fihaonambe isam-paritra ary voafaritra fa ny 25-26-27 martsa ho avy izao no hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena eto Antananarivo.

Tsy hiverin-dalana intsony

Efa somary nampoizin’ny maro ihany ny fisitahan’ireo filoha 3 (Zafy-Ratsiraka-Rajoelina) noho ny kajikajy politika, ary ara-tantara ihany koa dia niara-dia ireo tamin’ny 2008-2009 ary efa fantatra ihany ny zavatra noketrehana tamin’izany fotoana. Ny sary misy izany ankehitriny dia vonona hanohy ny fampihavanam-pirenena araka ny hitondran’ny FFKM azy amin’ny alalan’ilay 4F (Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana) Atoa isany Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana, noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena, raha toa ka tsy mankasitraka izany kosa ny filoha teo aloha isany Zafy Albert, Didier Ratsiraka ary Andry Rajoelina, izy mianaka farany ireo moa dia mbola samy any ivelany. Hisy ny resaka ataon’ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM anio antoandro aorian’ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe isam-paritra koa dia ho hita eo ny ho tohiny, fa raha araka ny tsiliantsofina re aloha dia tsy hiverin-dalana fa hanohy ny asa ny FFKM.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT