« Aoka samy hahay haka ny toerana aman’andraikitra tandrify azy ny tsirairay eto amin’ny firenena, hisorohana ny fisalovanana andraikitra », hoy ry zareo ao amin’ny birao mpandrindra ny Vondrona Antanimena tarihan’ny Pr José Rakotomavo
. Efa nanakianana ny teo aloha ny fitsabahan’ny filoham-pirenena amin’ny tsy tokony ho andraikiny tahaka izao ka tokony hosorohina, hoy izy ireo koa dia tsipahinay Vondrona Antanimena an-kitsirano ny fanoloran-tenan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitarika ny fampihavanam-pirenena. Efa ry zareo FFKM no nantsoin’ny mpizaika teto amin’ny Falda Antanimena hitarika izany. Lasa sady ho mpitsara no hotsaraina ny filoham-pirenena raha miditra amin’io satria anisan’ireo hampihavanina ihany koa mantsy izy. Mpanamora ny firosoana amin’ny fampihavanana no andraikitry ny filoham-pirenena aminay, hoy ity Vondrona Antanimena ity. Ny fanomezana andraikitra mazava sy ara-dalàna ny FFKM no handrasana aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.