Tokony hitarina amin’ireo mpanao politika isan-tsokajiny eto amin’ny firenena ihany koa ny fampihavanam-pirenena izay atao, hoy ny solombavambahoaka sasany eny Tsimbazaza
. Mety ary tena tsara ny hevitra hitondran’ny FFKM ny fampihavanana, indrindra ny amin’ilay fampihaonana ireo filoha dimy mirahalahy saingy mety ho tsara kokoa raha hitarina izany. Raha ny fanehoan-kevitr’izy ireo hatrany dia nilaza ireto farany fa samy manana ny antoko misy azy tsirairay ireo filoha ireo ary samy misy antoko hafa ihany koa miombona sy manaraka ny foto-kevitr’ireto filoha dimy ireto saingy tsy voatery hifanaraka avokoa noho ny hevitra tsy mitovy, eo ihany koa ny alahelon’ny mpanao politika tamin’ny zavatra izay nataon’ireo filoha tsirairay ireo izay mety nampisy disadisa tamin’izany fotoana. Mila hitarina, araka izany, ny lalàna hanaovana ilay fampihavanana, hoy izy ireo rehefa mazava ny amin’ireo filoha dimy ka mba anjaran’ny mpanao politika indray no mihaona an-databatra boribory.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.