Politique

Fampihavanam-pirenena Tokony hisokatra amin’ny lafiny ara-toekarena


  • Zoma 27 Febroary 2015

Sokajin’olona maro toy ireo mpanao politika, mpitondra fivavahana, mpandraharaha, mpanoratra, mpanao gazety, tanora mpitarika no vahinin’ny

 

Donak’Afon’ny TAnora mpiofana ho mpitarika avy amin’ny «Youth Leadership Training program» teny Anosy omaly. Niara-niaiky ny rehetra fa lalana tsy maintsy izorana ny fampihavanam-pirenena mba ahatongavana amin’ny tena fampandrosoana maharitra, indrindra ny sehatra ara-toekarena. Tsy nisy nitsipaka rahateo fa dingana lavitr’ezaka ny fanatontosana ny tena fampihavanam-pirenena. Voatanisan’ireo mpandray anjara tamin’ny adihevitra ihany koa ny 4F novoizin’ny FFKM ny handresen-dahatra ny Malagasy tsivakivolo. Fanontaniana saro-baliana niverimberina tao anatin’ny dinika kosa ny maha tena firenena iray tokoa an’i Madagasikara. Tsikaritra ho mionona amin’ny famahana ny lafiny ara-politika ranoray fotsiny mantsy hatreto ny fizotran’ny fampihavanam-pirenena Malagasy izay lesoka teo amin’ny tantaram-pirenena afrikanina tatsimo. Antony indrindra nisafidianan’ireo tanora YLTPianina ny lohahevitra «Fampihavanam-pirenena, fototry ny fampandrosoana ny seha-pihariana».

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT