Politique

Fampihavanam-pirenena Tohanan’ny Amerikanina tanteraka


  • Zoma 17 Aprily 2015

Fantatra tamin’ny kabary fanokafana ny “Andron’i Etazonia” nataon’ny Masoivoho amerikanina Robert Yamate monina sy miasa eto amintsika teny amin’ny hotely Ibis Ivandry omaly alakamisy 16 aprily 2015.

Fa firenena manana zavatra betsaka azo trandrahina i Madagasikara ka na dia efa mipetraka aza ny fifanekena ara-barotra manokana dia mila ampitomboina ny fampiasam-bola ataon’ny sehatra tsy miankina mba hahatanteraka izany. Mitaky fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana koa izany ary fahatokian’ny mpampiasa vola ny fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny firenena. Izany no antony mahatonga an’i Etazonia hanohana mafy ny fihavanam-pirenena. Manantena izahay fa io fihavanam-pirenena io dia azo hamaranana ny krizy politika miverimberina izay nanakana ny fampandrosoana ara-toekarena teto amin’ity firenena ity. Ary na dia very aza ny tombontsoan’i Madagasikara tamin’ny AGOA nandritra ny tetezamita dia tsy nitsaha-nitombo ny fanondranana entana mankany Etazonia, indrindra teo amin’ny sehatra ankoatry ny fitafiana ankehitriny, anisan’izany ny kafe, ny hanitra fanao amin’ny sakafo ary vokatra hafa koa. Hatramin’ny niverenan’ny AGOA tamin’ny fiandohan’ity taona ity dia efa mihoatra ny telo tapitrisa dolara ny tenti-bidin’ny entana naondran’ny mpandraharaha malagasy tao anatin’ny telo volana monja. Na dia betsaka aza ny tokony harenina dia mahabe fanantenana izany dingana vita izany.Mino izahay fa hiverina hiresaka an-databatra ireo filoha nisitaka tamin’ny fampihavanam-pirenena hoy ny masoivoho Amerikanina eto amintsika.


RHR/Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT