Taorian’ny adihevitra nifanjevoana teo amin’ny mpiara-dia tamin’ny filoha teo aloha Ravalomanana sy Ratsiraka mikasika ny raharaha 2002 ary ireo milaza fa nitondra takaitra noho ny fanovana ny taona 2009, dia ny resa-bola indray no nahatonga “Sakoroka” nandritra ny famaranana ny sabotsy hariva teo. Voalaza mantsy fa homena 40.000
ariary isan’andro mandritra ny 4 andro nivoriana sy nivavahana ireo mpandray anjara miisa 196 niarahan’i Toamasina I sy Toamasina II. Tapitra ny fivoriana, tsy hita ihany ny vola. Raikitra ny fivazavazana teo amin’ny mpizaika sy ny FFKM niaraka tamin’ny faritra atsinanana mpikarakara. Nahita vola ihany nony farany raha namoaka izany misasakalina ny tahirim-bolam-panjakana ao Toamasina, izao toa mbola vola nindramina ihany koa raha ny angom-baovao, ka ireo solontenan’i Toamasina II no nahazo ny anjarany ny alina io ihany fa tsy ampy koa no nomena azy ireo. Ho an’ireo mpizaikan’i Toamasina I kosa dia anio alatsinainy no hisy ny fizarana ny vola, izay voatery naverina ny fanisana sy ny fanamarinana rehetra noho ny “halatra sonia” niniana natao tsikaritry ny tahirim-bolam-panjakana ao Toamasina. Ho hita eo izany ny ho tohin’ny raharaha anio.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.