Politique

Fampihavanam-pirenena Sao dia tsianjery fotsiny. . .


  • Alakamisy 06 Novambra 2014

Nilaza ny vondrona iray antsoina hoe VPMAM na Vondron’ny Mpanohitra Manaraka ny Ara-dalàna fa sao dia sanatria atao tsianjery fotsiny ity resaka fampihavanam-pirenena ity. Betsaka, hoy izy ireo ny hetsika efa natao mahakasika ity fampihavanam-pirenena ity saingy toa tsy tanteraka foana izany ankehitriny

Noheverina, hoy izy ireo, fa iny fifidianana natao teo iny no hamoaka an’i Madagasikara anaty krizy ary hitondra ny vahoaka any amin’ny lalan’ny fampihavanam-pirenena saingy hiaraha-mahita fa mbola misavorovoro ny firenena. Etsy an-kilany ny fampiharana ny tondrozotra tsy narahana indrindra fa ilay andiiny voalohany izay fototry ny fampihavanam-pirenena, ny rafitra rehetra anefa efa nipetraka tamin’izany toy ny FFM sy ny namany. Manoloana izany rehetra izany dia nanapa-kevitra izy ireo miaraka amin’ny fikambanan’ny Tangalamena eto Madagasikara fa hamory ny vahoaka Malagasy etsy amin’ny restaurant mon gouter Andrefanambohijanahary mba hilazan’izy ireo ny tena marina momba ny atao hoe Fampihavanam-pirenena. Amin’izy ireo mantsy dia ny raiamandreny ara-drazana no tena mahalala ny fototry ny olana eo amin’ny faritra tsirairay misy azy ireo. Tokony hohararaotina ihany koa, hoy izy ireo, ny tranga momba ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana hampisehoan’ny mpitondra fa manana finiavana izy ireo hanao izany fampihavanam-pirenena izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT