Zafy Albert : « hatrany amin’ny fivorian’i Maputo tamin’ny 2009 no efa niresahana ny fampihavanana saingy nahagaga hoe nahoana no tsy natsangana nandritra ny fitondranan tetezamita mihitsy ilay andrim-panjakana iray nantsoina hoe CNR na komitim-pirenena momba ny fampihavanana.Ao raha matoa ny sasany tsy nety nanangana an’io, tena misy matahotra ny hirosoana amin’ny fampihavanana tena izy eto. »
Didier Ratsiraka : « mety tsara amiko ilay 4F, mbola azo ampiana hoe fitiavana aza io.Miankina amin’ny fahavononan’ny tsirairay ny fampihavanam-pirenena, satria rehefa atao io dia tsy maintsy mihavana amin’ny mpanohitra anao sy ny fahavalonao ianao. Tsara raha tanteraka amin’ity volana novambra ity ny fihaonana sy ny dingana manaraka indrindra fa ilay fihaonana an-tampony. »
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.