Tanteraka ara-bakiteny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka tokoa ny hoe : «Ho fisitrahan’ny vehivavy ny zony samia mandray andraikitra». Vehivavy an’arivony avy amin’ny sehatra maro no indray niara-nientana nanamarika ny 08 martsa 2015 tao an-toerana. Tonga hatramin’ny avy any Amparafaravola, Anosibe an’ala sy ireo Kaominina manodidina toa an’Amboasary, Feramanga, Andrarabaribe ..
. Fitafy nitovy manga sy fotsy no nandoko ny araben’Ambatondrazaka tamin’io. Anisan’ireo nanentana ny hetsika ny solombavambahoaka Andriamasimanana Auréline. Nambaran’ity farany fa efa taratry ny fampihavanam-pirenena izao fanamarihana ny 08 martsa izao». «Mizotra mankany amin’ny miralenta ny vehivavy any Alaotra Mangoro», hoy izy ary «vonona ny handray andraikitra sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana izy ireo». Matoky ny tenany fa rehefa vita ny fampihavanam-pirenena dia hiroso amin’ny fifidianana milamina ny Malagasy. Efa nanomboka tamin’ny 4 martsa ny hetsika tany Ambatondrazaka, nisian’ny fitsidihana ireo sembana miisa 19 sy kamboty 14 izay tezain-dry Masera niarahan’ny depiote Auréline tamin’ny fikambanana Alaotra Miray Hina. Nisy koa ny lalao baskety. Nitohy tamin’ny fambolen-kazo izany ny 07 martsa niraisan’ireo vehivavy an-jatony tao amin’ny lycée iray tao Ambatondrazaka, ary ny famangiany ireo vehivavy voafonja miisa 37 izay nanolorany Vary, Savony, Siramamy ary labozia ho azy ireo.
Nangonini Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.