Mbola ny Andranomanelatra Antsirabe hatramin’izao ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Ramatoa vadiny ary tsy mbola fantatra mihitsy ny hiverenany eny Faravohitra.
Misitaka
Nanamafy halina Atoa Guy Rivo Randrianarisoa araka ny resaka nifanaovana taminy fa dia mampiato ny fandraisany anjara amin’ny fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM aloha Atoa Ravalomanana ary mangataka ny hanafoanana ilay didim-panjakana manasokajy azy ho tahaka ny gadra. Tena voahosihosy ny zon’olombelona sy ny maha filoha voafidim-bahoaka an’i Marc Ravalomanana, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa ka tsy azo ekena izany. Hatramin’izao, 6 taona aty aorian’ny tsy maha filoha azy intsony dia tsy mbola mahazo vola fisotroan-dronono tahaka ireo filoha teo aloha rehetra i Marc Ravalomanana. Tsy sanatria filam-baniny fa tena ilaina mihitsy aloha ny ampitoviana zo ireo filoha rehetra mandray anjara amin’ny fampihavanam-pirenena fa tsy misy olona afaka, dia misy olona fehezina ny fahafahany. Tena niezaka nanampy ny amin’ny hahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fampihavanam-pirenena ny filoha Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy, tsy nangataka toerana na fanovana ireo rafitra misy eto amin’ny firenena ,hoy i Guy Rivo saingy efa sangy mihoatra ny loha no atao ka tsy afaka ny hihatsaravelatsihy hanaiky fampijaliana sy fanararaotana amin’izany intsony izahay.
Any amin’ny mpitondra ny baolina
Marihana tsara, araka ny fanazavana azo, fa tsy hoe migadra any Antsirabe akory Atoa Ravalomanana fa mijanona any fotsiny ary tsara ambin’ny mpitandro filaminana avy aty Antananarivo. Miandry izay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana amin’ny fitakiana nataony izay vao mety hiverina eny Faravohitra. Ary rehefa miverina eny izy dia tokony ho tahaka ny olom-pirenena afaka rehetra, tsy ambenana mpitandro filaminana maro be mirongo basy ary tsy voafetra amin’izay zavatra ataony sy izay olona hihaona aminy, na hiera isak’izay mivoaka ny trano.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.