Manomboka tanteraka ireo nifanekena nandritra ny fihaonan’ireo filoha 5 teny Ivato, herinandro latsaka aty aoriana. Efa niroso tamin’ny famoahana ireo gadra politika ny fitondram-panjakana ary niampy famelan-tsazy avy amin’ny filohan’ny repoblika moa izany.
Ny alarobia 24 desambra lasa teo no navoaka ny fonja, izany hoe afaka tanteraka fa tsy higadra intsony Atoa isany Raoelina Jean Herinaina, Randrianjafy Raymond, Saorany Rabevolombava, Razakasoa Andrianantenaina, Andrianasoavina Charles. Miaramila avokoa ireto gadra politika andiany voalohany nivoaka ireto ary diso fantatry ny maro loatra ny momba azy. Ny Jeneraly Raoelina, ohatra, dia anisan’ireo nambaran’ny fitondrana tetezamita fa tompon’antoka tamin’ny fitifirana teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009. Notsaraina izy ary nogadraina avy hatrany, tsy nahazo fahafahana vonjimaika mihitsy na dia tsy tena naharesy lahatra aza ny porofo niampangana azy. Ny Kolonely Randrianjafy Raymond indray dia voasambotra taorian’ny raharaha FIGN tamin’ny 20 mey 2010 ary ny kolonely Charles Andrianasoavina dia anisan’ireo manamboninahitra nosamborina noho ny raharaha BANI Ivato ny 17 novambra 2010, izy moa dia mbola any amin’ny nosy La Réunion no mitsabo tena hatramin’izao. Noraisin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nihaona taminy teny Iavoloha ny alarobia lasa teo ireto miaramila gadra politika nivoaka ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.