Politique

Fampihavanam-pirenena Natakalon’i Hery Rajaonarimampianina vola


  • Talata 18 Novambra 2014

Naleon’ny filohan’ny Repoblika faha-4 Hery Rajaonarimampianina namonjy ilay kongresy iraisam-pirenena momba ny valanjavaboary sy ny haivoary, any Sydney Aostralia toy izay hanoina ny fanasan’ny FFKM amin’ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena

Mety hitady vola hanamafisana ny fiarovana ny valan-javaboary misy sy hanitarana izany angamba no anton-diany any, ankoatra ny fisehoana fa izy no filohan’ny Repoblika faha-4 aty Madagasikara. Na mba solontenan’ny tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika aza tsy tazana tamin’ilay fotoam-bavaka notanterahina tetsy amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina, ny tolakandron’ny alahady teo, nanombohan’ny FFKM ny asany. Ny fahendrena Malagasy anefa dia milaza mazava fa aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana. Raha izao tarehin-javatra miseho izao anefa dia tsy arakaraka ny kabary ataon’ny mpitondra, fa dia nomeny lanja ny vola manoloana ny fampihavanam-pirenena izay iombonan’ny besimaro hevitra fa antoka hisian’ny fitoniana politika sy toekarena ary sosialy eto Madagasikara, hiaingan’ny fampandrosoana. Haharesy lahatra ny mpamatsy vola momba ny tontolo iainana ve anefa izy amin’izao diany any Aostralia izao ? Iaraha-mahita io ny manjo ireo valanjavaboary arovana eto Madagasikara, fa ripaka ny ala indrindra ny boaderôzy sy ny voamboana, fongana ny sokatra, tapitra hazain’ny olona atao sakafo ny gidro, doran’ny olona ny ala ...

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT