Nandalo ny CRN sy ny FFM ary ny CFM fa dia saika kiana niraisan’izay naneho ny heviny rehetra hatrany ny hoe « Mandany volam-panjakana ». Etsy an-kilany anefa ny avy eo anivon’ny fiombonan’ireo fiangonana kristianina malagasy na ny FFKM
dia saika nantsoin’ireo mpandray anjara politika sy fikambanana goavana hatrany handamina ny raharaha. Anisan’ny niantso fatratra matetika azy ireo, ohatra, ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka. Nankasitraka azy ireo koa ny fikambanan’ny terak’i Mahajanga. Na manoloana ireo depiote mifanandrina ankehitriny aza dia mbola hita ho to teny ireto Raiamandreny ireto. Ny hany tsy navelan’ireo depiote miisa 73 nihodivirana kosa dia ny fialan’ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina. Ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana malagasy moa dia efa manomboka mianatra tsy mandray finday rehefa antsoina.
Jean Navandahy Ratiharison, filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso :
« Niharihary ny tsy fandraisan’andraikitry ny CFM nanoloana ny zava-nitranga ny sabotsy 21 aprily. Manohitra marindrano ny fandatsahan-dra ny Za’gasy ary mangataka tsotra izao ny handravana tsy misy hatak’andro ny CFM »
Jean Louis Rakotoamboa, filohan’ny antoko Teza
« Olana fototra ilana adihevitra tsara eto ny fitsipika mikasika ny demokrasia vao miditra amin’ny fifidianana. Rehefa tsy izay dia fihavanan-jiolahy foana no hitranga eto. Mitarika olona hifamono, miady dia avy eo indray mifampitantana. Mandany vola fotsiny ny CFM fa fihavanana amin’ny vahoaka izao no ilaina. Izay nanao ratsy rehetra, atomboy amin’ny Teza raha misy, dia tsaraina sy gadraina avokoa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.