Mitaky ny handravana ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) ireo mpizaika tamin’ilay fivoriana fampihavanam-pirenena sy fanarenana ifotony notanterahana teny amin’ny Falda Antanimena ny alatsinainy sy ny talata lasa teo. Tsy nahavita azy ny FFM ka aleo ravana sy soloina. Izay no anisan’ny hevitr’ireo mpandray anjara tamin’ity dinika ity.
Mitarika ny FFKM
Tsara toerana hitarika ny fampihavanam-pirenena ny Fiombonamben’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), hoy hatrany ny vondron’Antanimena fa hanampy azy kosa ireo Olobe sy Raiamandreny ara-drazana avy any amin’ny faritra. Eo amin’ny fanatanterahana ny fampihavanana kosa dia mbola neken’ny rehetra ny hanaovana ilay 4F n’ny FFKM dia ny fiaiken-keloka, fifamelan-keloka, fahamarinana ary fihavanana. Mandoa ireo trosa maloto izay tsy nisitrahan’ny Malagasy akory ireo mpitondra nifandimby teto niaiky fa meloka eo anatrehan’ny firenena raha araka ny fehin-kevitra tapaka teny Antanimena omaly. Amin’ny ankapobeny dia tena mbola mahatsiaro ho tompon-trano mihono ihany ny Malagasy raha ity fanambaran’ny vondron’Antanimena ity no jerena satria anisan’ny hevitra nivoaka ny hoe tsy mbola mahaleotena ara-politika sy ara-toekarena i Madagasikara fa miankin-doha amin’ny any ivelany sy baikon’ny vahiny. Tsy mbola tanteraka ihay koa ny fahaleovantena ara-kolontsaina. Voatonona fa maka ny tany eto Madagasikara ny karana sy ny Sinoa ary ny eoropeanina, indrindra fa any ambanivohitra.
Mihaona ireo filoham-pirenena 5
Manitrikitrika ireo mpizaika fa variana tamin’ny fanonganam-panjakana ny mpanao politika teto Madagasikara, ny fananganana repoblika vaovao hatrany no nihazakazahana fa tsy mbola nisy mihitsy ny fampihavanam-pirenena hatramin’izay. Miainga ifotony any amin’ny fokontany ny fampihavanam-pirenena heverina fa hotanterahana, tsy maitsy atao ilay « grand pardon », mila manana hery hahafahana mampihatra azy hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena, ny mpampihavana aloha no mihavana voalohany ary nanipika mazava ny Vondron’Antanimena fa tsy azo ihodivirana ny fampihaonana ireo filoha dimy mirahalahy nifandimby teto (Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajoelina, Rajaonarimampianina) mba ho santatr’izany. Nafana, nahitsy ary hentitra ny fanehoan-kevitr’ireo mpizaika, nanamarika ireo mikarakara ity hetsika ity fa tsy natao hanafintohina ny sasany akory no antom-pihaonana na hamalifaly ny hafa fa nampitan-kevitra amin’izay mahasoa sy mahatsara ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.