Politique

Fampihavanam-pirenena « Mbola misy voataizan’ny kolontsaim-panjanahana eto. »


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Ny CFM na ny komitin’ny fampihavanana malagasy moa izany izao no nampisahanin’ny fitondrana malagasyny fanaovana izay hampihavanana ny mpiray tanindrazana rehetra. Mahakasika izay dia isan’ny fanontaniana apetraky ny maro ny hoe fampihavanana tahaka ny ahoana moa ilay atao amin’ity fiarahamonina malagasy feno

 

fihatsarambelatsihy sy fifandainga ary fifanambakana ankehitriny ity ? Rahoviana izy ity no ho tontosa ary raha sanatria tsy tontosa dia inona no hitranga ? Niezaka nitondra fanazavana ihany nanoloana ireo tsikera samihafa ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona, ary nilaza fa tsy marina ny filazana fa tsy nahavita na inona na inona ny CFM. Ny hampihavana ny Malagasy rehetra no iraka nampanaovina anay, hoy izy. Lavitra ezaka io ary tsy voafetra ny fiafarany, raha ny fanazavan’ity tomponandraikitra iray ity. Tadidio fa be ny fahavalon’ny fampihavanam-pirenena, hoy ny tenany. Vao tonga teto ny mpanjanaka dia ny fizarazarana no nentiny. Mbola misy voataizan’ny kolontsaim-panjanahana eto. Be ireo zava-bitan’ny CFM tsy azo faritana amina isan-jato satria fitaizam-panahy, hoy izy. Isan’ireny, ohatra, ny olana tany Tsiroanimandidy sy tany Analavory. Olan’ny mpiara-monina toy izay ihany koa moa, raha ny nohazavain’ny filohan’ity rafitra ity, Maka Alphonse, ny nitranga tany atsimo tamin’ny taon-dasa.

Nanangona: J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT