Politique

Fampihavanam-pirenena Hiseho anio izay olonkendry !


  • Talata 28 Aprily 2015

Tonga ny fotoana ! Hotontosaina manomboka anio ary haharitra hatramin’ny 02 mey ny dinika nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM.

 

 Tsy hanatrika izany ny filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Tonga eto an-toerana hatry ny omaly, ihany koa i Andry Nirina Rajoelina, filohan’ny  Tetezamita fa tsy handray anjara. Ho an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana  indray dia efa nanamafy an-tsoratra tamin’ny FFKM fa tsy izy velively no sakana amin’ny fampihavanam-pirenena. Mbola nentiny am-bavaka aza ny hahatontosan’izany soa aman-tsara omaly, teny an-tranony eny Faravohitra. Ny amiraly Didier Ratsiraka moa, taorian’ny vavaka iraisam-pinoana tetsy amin’ny EKAR Mahamasina tamin’ny 29 martsa 2015, nialoha ny nihazoany an’i Frantsa hanao fizaham-pahasalamana dia nanamafy ny fandraisany anjara amin’ny dinika fampihavanam-pirenena ary maniry ny hisokafan’izany amin’ny herivelona rehetra. Ho an’ny Solombavambahoakan’i  Madagasikara voafidy tany Morondava, Hawel Mamod’Ali,  mpitondra tenin’ny Mapar dia ny mpitondra fivavahana izay  mitarika ity fampihavanana ity aloha no tokony hifanara-kevitra voalohany vao mitarika ny  hafa. Tsy  mbola misy antony hirosoana amin’ny  fampihavanana ny any amin’y faritra, hoy ny Depiote Hawel raha ny aty an-dohany izay tena fototry ny olana aza tsy mifanaraka. Ankoatra ny fitakian’ny ankolafy Rajoelina ny fampiharana ny andininy faha -54  amin’ny lalàmpanorenana mahakasika ny fanendrena ny praiminisitra  dia tsy ankasitrahan’izy ireo  ihany koa ny fampandoavana vola ny olona izay te handray anjara amin’io fampihavanam-pirenena io. Ho an’ny minisitry ny Asa sy ny Lalàna Sosialy teo aloha Tabera Randriamanantsoa indray, izay mpitondra tenin’ny Ankolafy Zafy Albert,  dia ny fandravana ny Ffm hatrany no takian’izy ireo. Tsy mety, hoy ity minisitra teo aloha ity  raha misy fifanitsahan’andraikitra  amin’ny  fanatontosana ny fampihavanam-pirenena fa tokony hapetraka izay iray ara-dalàna dia ny CNR izany ka izay  vitany eo no ekena. Mivadibadi-kevitra ny Filoha ankehitriny  ka aleo izay tena ara-dalàna no atao ka tsy  misy hialana intsony izay tapaka eo avy eo. Ho mariky ny fandraisana anjara amin’ny fampihavanam-pirenena dia nampatsiahiviny fa efa natolotry ny Profesora Zafy Albert ny Ffkm  ny drafitra ahitana fanontaniana miisa 33 sy ny lalan-kizorana  amin’ny fampihavanam-pirenena ka anjarany indray ny mampiasa azy.

Andry Ratovo   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT