Nambaran’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona filoha mitarika ny FFKM omaly teny Faravohitra fa samy manaiky ny fampiharana ilay fomba fiasa 4F(fiaiken-keloka – fibebahana –fahamarinana-fihavanana) ny solontenan’ireo filoha 5 nandray anjara tamin’ny dinika nandritra ny roa andro
Nifanekena ihany koa ny fanatanterahana ny fiaiken-keloka ampahibemaso izany hoe atao mangarahara sy hitan’ny vahoaka Malagasy ; ny solontenan’ny filoham-pirenena am-perinasa kosa anefa dia nametraka fanamarihana sy fangatahana fa tsy hanao io fiaiken-keloka sy fifonana io Atoa Hery Rajaonarimampianina satria tsy nisy nidirany mihitsy na dia kely aza ny olana politika tamin’ny 2009.Nanome toky kosa anefa ny filoha am-perinasa fa amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fitsinjarana ara-drariny ny harena misy eto Madagasikara no anisan’ny fandraisana anjarany amin’ny fampihavanam-pirenena sy ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy. Ho an’ny ankolafy Rajoelina indray dia nametraka izy ireo fa ampiharina aloha ny lalàna izay vao miresaka fampihavanana ; ny ankolafy Ravalomanana indray dia nilaza fa fepetra voalohany mialoha ny hirosoana amin’ny tena fampihavanana ny famelana malalaka ny filoha eto aloha Marc Ravalomanana hody eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra sy ny fahafahany miresaka mivantana amin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny FFKM mba hanambarany ny heviny momba ny fampihavanana.Tetsy ankilan’izay kosa dia nanamafy ny FFKM fa hokarakaraina faran’izay haingana ny fihaonana eo amin’ireofiloha 5 tonta dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Alber Zafy, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina.15 mianadahy moa no anisan’ireo mpandray anjara nisolotena ireo filoha 5 nandritra ity dinika nokarakarain’ny FFKM teny Faravohitra ity ary nizotra am-pilaminana ny fifampiresahana rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.