Politique

Fampihavanam-pirenena Hiditra an-tsehatra indray ny SADC


  • Talata 03 Martsa 2015

Miditra amin’ny dingana fakan-kevitra eny anivon’ny faritra manomboka amin’ity herinandro ity ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara

 

. Telo andro no faharetan’izany manerana ireo faritra 22 eto Madagasikara izay hotanterahana ny alakamisy 5 hatramin’ny sabotsy 7 martsa 2015 izao. Efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana rehetra afa-tsy ny any amin’ny faritra Anosy, araka ny fanazavan’ny mpikambana iray avy amin’ny komity mpikarakara. Singa iray ao anatin’ny fampihavanana ihany ny resaka politika toy ireo sehatra hafa eo anivon’ny fiarahamonina, hoy ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra iray ity. Hifanampy amin’ny FFKM amin’ny fanatontosana ny fampihavanana eo amin’ny samy Malagasy moa ny vondrona iraisam-pirenena na tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny andraikitra horaisiny. Ho avy eto Madagasikara amin’io herinandro ambony io rahateo ny iraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena hotarihan’ny SADC ka amin’izay isika miara-mahita azy.

 

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT