Tontosa soa aman-tsara ny 19 sy ny 20 desambra lasa teo ilay fampihavanam-pirenena ara-drazana notanterahin’ny tangalamena tany amin’ny distrikan’i Nosy Varika
Ny antsasa-manilan’ireo tangalamena sy mpitan-kazomanga manerana ny Nosy no tonga nanatrika izany raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Ramandimbison Paul. Ankoatra ireo fombafomba maro isan-karazany dia nisy ihany koa ny fitokanana tsangam-baton’ny fampihavanana nataon’izy ireo izay milanja 8 T sy sasany narahin’ny famonoana omby miisa roa. Hitohy eto Antananarivo Renivohitra indray ny hetsika ato ho ato. Eny amin’ny efitrano fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato no voalaza fa toerana omen’ny fanjakana hanatanterahan’izy ireo izany izay nomarihin-dRamandimbison Paul manokana fa tsy misy hidiran’ny resaka politika na dia kely aza. Tsy mila fanampiana avy amin’ny fanjakana izy ireo, hoy hatrany ity filohan’ny tangalamena ity fa ampy azy ny fanohanan’ireo namany marobe hafa any ivelany toy ny any Eoropa sy Italie.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.