Fanapahan-kevitra feno fahasahiana sy matotra ny fampandoavan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ilay fandraisana anjara 200.000 ariary ho an’ireo fikambanana na sokajin’olona hiatrika ny fampihavanam-pirenena mandritra ny 5 andro eto Antananarivo.
Ho fisorohana ireo karazana teritery avy amin’ireo ankolafy samihafa sy ny fitondram-panjakana no antony goavana nahatonga io saram-pandraisana anjara io, hoy ny mpikambana ao amin’ny «Cercle de Développement et d’Ethique» Serge Zafimahova. Midika fahavononan’ny FFKM hanarina ireo tranga mitanila nahafahan’ireo olom-panjakana niditra an-tsehatra nandritra ny fanatontosana ireo fihaonam-paritra izy io, araka ny fahitan’ity mpikambana ao amin’ny CDE ity azy. Tanjon’ny fampihavanam-pirenena rahateo ny fanangonan-kevitry ny vahoaka Malagasy ialana amin’ny korontana ara-politika, toekarena, sosialy eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.