Politique

Fampihavanam-pirenen’ny FFKM Misokatra ho an’ny rehetra


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Hisokatra ho an’ny rehetra amin’izay ny fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM. Hotanterahina ny 28 Aprily ka hatramin’ny 02 mey ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato indray izy io, araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly.

Manainga ny fikambanana, ny vondrona samihafa toy ny tantsaha, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena, ny sokajin’asa, ny vehivavy, ny raiamandreny to teny, ny fiangonana rehetra, ny antoko politika mijoro ara-dalàna  izy ireo mba ho avy handray anjara. Azo hatao eny Vohipiraisana ny fisoratana anarana hanomboka anio alakamisy 16 aprily, hifarana ny zoma 24 aprily amin’ny 6 ora hariva. 200.000 Ar ny fandraisan’anjara ho ana solontena roa isaky ny vondrona, izay nomarihin’izy ireo fa miaraka amin’ny taratasy manamarina ny maha-ara-dalàna azy ireo. Na izany aza dia azo atao tsara ny misoratra anarana ao amin’ny www.ffkm-fampihavanam-pirenena.net na koa mandrotsaka ny vola amin’ny alalan’ny kaonty laharana 00005 00001 059558 7020 0 1200. Nisy ihany koa ny fanentanan’izy ireo ny rehetra mba hanolotra izay foiny amin’ny alalan’io kaonty io hoenti-manatanteraka ity dinika nasionaly ity. Mikasika ny resaka mandeha ny amin’ny fisitahan’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fampihavanana moa dia nanambara ny FFKM fa tsy mbola nahazo taratasy ofisialy mikasika izany izy ireo. Nambaran’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina fa adin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fitondrana amin’izao izany ka tsy misy hidiran’izy ireo. Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa tsy ny hevitr’izy dimy mirahalahy mianaka irery no raisina ao anatin’io dinika io fa ny hevitry ny rehetra mba ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT