Politique

Fampiharana ilay “Pacte de responsabilité” Midongy tsy hanao ny Mapar


  • Talata 16 Jona 2015

Ankoatra ny fivorian’ny birao maharitra dia nangina tanteraka ny teny amin’ny Antenimieram-pirenena omaly

 

. Rehefa vita ny  fivorian’ny  birao maharitra dia nisy ny famakiana fohy nataon’ny  filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, depiote voafidy tany Ambositra ny fehin-kevitra  ho solon’ny  didim-pitsarana  navoakan’ny  Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana  mahakasika ny  fitakiana fampiatoana ny Filoham-pirenena tamin’ny. Vitsy  dia vitsy  ireo  Solombavambahoaka tonga teny Tsimbazaza omaly. Ny avy   ao amin’ny  Mapar  sy ny avy ao  amin’ny Tiko I Madagasikara ary ny avy tao  amin’ny Vpm  MMM  miampy ireo  tsy miankina vitsivitsy no hita teny an-dapa. Tsy tazana teny  kosa ireo manohana ny fitondrana. Na dia niezaka  ny naka hevitra  tamin’izy ireo aza  ireo  mpanao gazety vitsivitsy tonga teny an-toerana,  tsy    nisy hevi-dehibe nivoaka firy teny Tsimbazaza. Taorian’ny fivoriana fohy  tao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena dia  nivory nitokana indray ireo  filoham-baomiera isan-tokony mba hamaritra ny  fandaharam-potoana. Andrasana indray anio  izay vaovao hivoaka. Tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray eto an-drenivohitra kosa no nitateran’Atoa Pierre Houlder avy amin’ny Mapar, omaly tolakandro fa tsy hiditra  amin’ilay “pacte de responsabilité” izay  nambaran’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana  ao amin’ny andalana faha 5 izy ireo amin’ny  fehin-kevitra nomeny mba hiantohana ny fampandehanan-draharaham-pirenena ao anatin’ny  fanajana ny lalàmpanorenana.

 Andry Ratovo          

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT