Politique

Fampihaonana ny filoha 4 Manjavozavo ny vahaolana entiny


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Fandaharam-potoanan-dry zareo avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana malagasy na ny CFM ny hampihaona ireo mpitondra fanjakana miisa 4 teto amin’ny firenena izay heverina ho manana rohy amin’ny toe-draharaha ankehitriny.

 Eo ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka ary ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia hoe hitondra inona io fampihaonana io ? Sao dia fisehosehoan’ity rafitra voatendry hampihavana ity fotsiny noho ilay izy voakiana matetika ho tsy mahavita raha ? Mifanipaka atsimo sy avaratra etsy an-kilan’izay ny fitakian’ireo depiote mpanohitra sy mpomba ny fitondrana. Ny an-daniny mitaky ny fialan’ny filoham-pirenena, ny an-kilany ny mifanohitra amin’izay. Manjavozavo tanteraka, araka izany, ny vahaolana entin’ity fihaonana ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT