Efa mirona amin`ny fampielezan-kevitra isika na tsy ao anatiny tanteraka amin`izao. Amin`ny ankapobeny, ny propagandy dia natao ho fampahafantarana ny vina sy ny tetikasa amin`ny vahoaka mba ahafahan`ny kandidà iray handresy amin`ny fifidianana.
Araka ny lojika, miezaka manatona ny Malagasy tsirairay manazava foto-pisainana, mifandray amin`ny olona ary mitaona ny vahoaka hifidy. Olana eto amintsika anefa, tsy mitovy lenta ny kandidà rehetra. Misy amin`ireo hisedra safidim-bahoaka ireo no manana herijika be indrindra eo amin`ny lafiny ara-bola ka hitobaka indray ny fanomezana isan-karazany. Hisy amin`izy ireo no hampiasa angidim-by, fiara tsy mataho-dalana… mba ahafahana hitety ireo faritra manerana ny nosy. Ny kandidà tsy manam-bola hatobaka kosa dia hionona amin`ny fandresen-dahatra an`ireo olona ary hovoizina hatrany ny hoe “tsy hamandrika ny safidinareo izahay amin`ny rendrarendra izay tsy maintsy hatobaka araka ny fomba ratsy mahazatra eto amintsika”. Maro amin`ireo kandidà anefa no mitaky ny mba hampitoviana ny herin’ireo mpilatsaka hofidina, satria tsy mitovy lenta mihitsy izy ireo amin`ny fampielezan-kevitra. Maro anefa ireo antoko manana ny haino aman-jery azy manokana izay tena andrandrainy fatratra tokoa amin’ny fampielezana ny fotokeviny mandritra io fifidianana io. Mafana tokoa mantsy ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ka manantena fifidianana milamina, mahitsy ny vahoaka Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.