Politique

Fampielezan-kevitra Tsy mbola mazava tsara amin’ny Malagasy


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Hiditra amin`ny fotoanan`ny fampielezan-kevitra isika atsy ho atsy. Hidobodoboka ao an-tsofina indray ny mozika, kabary tsara lahatra, ny fampihantsiana amin`ny endriny samihafa, ireo teny mahery hatsipy amin`ireo mpifaninana zary toa lasa fahavalo…

 

 Ho re matetika ny teny hoe “leo, tofoka …”.  Na hisy aza ny fifanarahana hataon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba tsy hifanenjehan`ireo kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra, sarotra ny hanafoana ny lonilony eo amin`ny samy mpifaninana. Fa firy amin`ny Malagasy no mahatsapa ny hevi-dalina fonosin`ny propagandy ? Ny azo antoka aloha, ny ankamaroan`ny Malagasy dia hijery fampisehoana fotsiny satria misy ireo kandidà tsy maintsy hitondra artista mba hisarihana ny sain`ny mpifidy. Eo ihany koa ny fampitahana amin`ny fitaovana goavana ampiasain`ireo mpifaninana izay ahitana ny elanelana. Misy mantsy no mamono omby am-polony talohan’ny fampielezan-kevitra, nandritra ary mbola mampanantena ihany koa raha lany fa ny hafa indray dia mionona amin`izay ananany. Tsy maintsy hisy ny fizarana T-shirt sy fitaovana maro samihafa ka amin`izay lafiny izay ihany koa no hamaritan`ny Malagasy izay ho “favori”. Tsy misy lalàna mifehy sy mametra ny sora-bola ampiasaina amin`ny fampielezan-kevitra. Mipetraka hatrany koa ny teny mahery re eny an-kianja na ataon’ny kandida na ataon’ny fikambanana mpanohana. Tsara hodinihin`ny mpifidy ihany mialoha ny handrotsahany ny vatony ny mombamomba ny kandidà hotohanany fa tsy variana amin`ny sehoseho ivelany ataon`ireo mpifaninana. Mila mahafantatra ny mpifidy fa misy amin’ireo kandida ireo “narotsaka” hampizara ny vato fotsiny. Mety mba ho liana amin`ny vinam-piarahamonina aroson`ireo mpifaninana ve ny Malagasy sa mbola hanao fampitahana fahatany toy ny fomba teo aloha ihany ?

 


 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT