Tao anatin`ny herinandro roa nisian`ny fampielezan-kevitra, hita taratra fa ilana vola sy fitaovana goavana ny fandraisana anjara amin`ny fifidianana.
Takona tanteraka ao anatin`ny serasera mamono lolo ataon`ireo kandidà sasany ny ankamaroan`ireo izay tsy manana ny ampy entina hanatontosana ny fampielezan-kevitra. Peta-drindrina, serasera, tsy resahina intsony ny fitetezam-paritra manerana ny nosy amin`ny fandehanana angidim-by, fanamboarana T-Shrit, karaman`ireo tompon’andraikitra manao fampielezan-kevitra, volan`ny mpanakanto. Tsy azo eritreretina hoe ho vitan`ny kandidà tsotra izany satria amin`ireo kandidà 36, 10 amin`izy ireo farafahabetsany no mba mahavita manao peta-drindrina. Tsy mbola miteny akory ny lanjan`ilay antoka mihoatra ny volabe izay ampiasaina ao anatin`ny fampielezan-kevitra sy andron`ny fifidianana tahaka ny karaman`ireo delege eny amin`ny biraom-pifidianana. Mazava ny antony tsy naneken`ny HCC tao anatin`ny lalàna mifehy ny fifidianana ny famatsiam-bola avy any ivelany mikasika ny fifidianana. Hatreto ihany koa tsy misy mihitsy ny tena adihevitra mikasika ny fampielezan-kevitra na fifidianana fa takon`ny fampiasam-bola. Soa ihany fa tsy antoka hahalany kandidà iray ny fahabetsahan`ny olona mamaly amin`ny famoriam-bahoaka izay atao na ny hetsika amin`ny hiantsoana vahoaka. Fitaovana mahomby koa mba hamonoana lolo ny olona tsy maharaka ny tetika. Tena famitahan-tena anefa no misy amin’ireny raharaha ireny satria tsy azo andrefesana velively ny olona mety handatsa-bato ho an’ilay kandidà manao io tetika io. Tsy tokony ho vaovao amin`ny kandidà anefa izany saingy tsy hanampy ny olom-pirenena handajalanja ny fampielezan-kevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.