Tsy nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia efa nisy ny fifanaratsiana sy fifandrangitana naindraindran`ny mpomba ireo kandidà sasany.
Efa tafiditra tanteraka amin`ny fotoam-pifidianana isika izao ka ho sarotra be ny hiala amin`izay. Efa nisy olona ny maty noho ny fifandrafiana eo amin`ny samy mpanohana kandidà. Rehefa mifanena ireo mpomba ireo kandidà sasany dia mifandramatra am-bava, misy hatramin`ny tora-bato. Herinandro fahefatra isika amin`izao amin`ny propagandy ka mila fitandremana satria hisesy ny faradoboka eto an-drenivohitra. Adidy sy andraikitry ny kandidà sy ireo mpitarika ireo mpanohana no mandamina ny zava-misy rehetra satria ho sarotra be ny fidirana amin`ny fihodinana faharoa raha izao no mitohy. Mila jerena ifotony ny tena fampihavanam-pirenena satria raha zohina ireo mpifaninana amin`ny fifidianana dia nanana olana ara-politika. Ny taona 2002, nisy ny ady teo amin`i Didier Ratsiraka sy i Marc Ravalomanana. Ny taona 2009, Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary ny taona 2013-2018, tsy fifankahazoana teo amin`i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina. Aiza ny andraikitra raisin`ny Komitin`ny Fampihavanam-pirenena ( CFM) ? Ireo kandidà ireo mantsy dia mpifanandrina ara-politika kanefa tsy vita ny fandaminana azy ireo teo alohan`ny fifidianana. Ity fifidianana 2018 ity anefa no eritreretina hitondra fifandaminana ara-politika avy eo ka izay ho mamim-bahoaka no tokony ho lany. Ankehitriny anefa, lasa mafampana ny maripana ara-politika ka mila fitandremana ny rehetra satria efa hitantsika ny tsy fitovian-kevitra tamin`ny taona 2009. Ahiana hiverina indray ireny raha tsy mitandrina satria pitik’afo dia mahatonga korontana. Midika izany fa ny mpanohana foana no marary fo amin`ny fifanoheran-kevitra politika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.