Politique

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana Nahazo fampitandremana i Harilala Madavision


  • Zoma 29 Mey 2015

Nampanantsoin'ny CENIT hiseho teny amin'ny foiben-toerany eny Alarobia omaly i Harilala Ramanantsoa, kandidan'ny fikambanana Madavision amin'ny fifidianana Ben'ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, hatao amin'ny 31 jolay 2015. Nahazo



fampitandremana ity kandida ity taorian'ny fizarany "carte de visite" misy ny anarany sy milaza ny maha kandida Ben'ny tanàna azy arahina teny faneva na "slogan" izay heverin'ny CENIT fa manana endrika fampielezan-kevitra. Nozaraina nandritra ny hetsika ara-barotra "la grande braderie de Madagascar" ny ankamaroan'ny "carte de visite" io. Mbola teny amin'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ity kandida ity no nanana olana noho ny fampiasany mari-pamantarana ny orinasa Madavision tamin'ny antontan-taratasiny. Nasain'ny OVEC novaina ilay mari-pamantarana satria voararan'ny lalàm-pifidianana ny fampiasana ny an'ny orinasa.
Mitarika any amin'ny fanilihana an-daharana tsy ho anisan'ny kandida ny tsy fanajana izany. Araka ny nambaran'ny avy eo anivon'ny CENIT dia mbola misy kandida hafa hampanantsoina ato ho ato, noho ny fihoaram-pefy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataony.


Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT