Tsy azo atao mihitsy ny manao fampielezan-kevitra mialoha ny daty voatondro araka ny lalàna mifehy ny fifidianana. Amin’ny 8 oktobra no manomboka ny propagandy ho an’ny fifidianana filoham-pirenena saingy hita taratra anefa fa maro ireo kandidà mihoa-pefy manatanteraka fampielezan-kevitra amin’izao fotoana.
Araka ny nambaran’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI Madagascar, zavatra telo no azo atao amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Voalohany, fanambarana fa ho kandidà ho filoha ny olom-pirenena iray. Faharoa, fanazavana ny vinam-piarahamoniny. Fahatelo farany, fanetsiketsehana na fananganana ny antoko na ny fikambanana izay hanohana rehefa tonga ny fampielezan-kevitra. Nilaza izy fa tsy azo atao mihitsy ny manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny filazana ihany koa fa tsy misy ny lalàna mifehy ny « pré-campagne » dia tsy midika mihitsy fa hodikaina ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ary mazava tsara ny lalàna. Araka izany, mampaneno lakolosy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) satria efa nanazava izy ireo fa ireto ihany no zavatra azo atao kanefa raha zavatra hita ankehitriny dia efa mikisaka sy miala amin’ireo zavatra telo voalaza ireo ny zava-misy. Na mitaona olona hifidy kandidà iray na koa mitaona azy tsy hifidy kandidà hafa dia efa fampielezan-kevitra izay, hoy i Thierry Rakotonarivo. Tsy tokony hatao amin’izao vanim-potoana sy fiomanana amin’ny fampielezan-kevitra izao, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.