Mipetraka sahady ny olana eo amin’ny fanatanterahana ny atao hoe “pré-campagne” amin’izao fiatrehana ny fifidianana Ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina izao.
Tsy voafaritry ny lalàm-pifidianana mazava tsara mantsy ny atao hoe «pré-campagne» na ny fanomanana fampielezan-kevitra sy ny atao hoe fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ka tsy vitsy ireo antoko politika manararaotra izany toe-javatra izany. Tsy izay ihany fa mbola olana be ihany koa ny tsy fisian’ny lalàna mametra ny mari-bola ampiasaina amin’ny fampialezan-kevitra ka tsy mampitovy ny herijikan’ny kandida tsirairay fa lasa fifidianana ho an’ny manam-bola fotsiny ihany. Ny hany fantatra fotsiny dia ny hoe tsy azo ampidirana vola maloto ny fampielezan-kevitra, tsy azo ampidirana volan’ny orinasa na tsy miankina na am-panjakana kanefa tena misy manaraka ve izany ?
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.