Tsy misy intsony ny sakatsakana fa nigadona ity ilay andro malaza. Nanomboka androany tamin’ ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitra amin’ ny fifidianana filoham-pirenena izay tontonsaina ny 07 novambra ho avy izao ny fihodinana voalohany.
Mizotra mankany amin’ ny fisedrana ny safidim-bahoaka ny eto Madagasikara na dia nisy ny tsy fahatomobanana teo amin’ ny fikarakarana azy. Mampiavaka ny firotsahan-kofidiana sy ny propagandy dia mirarakompana ny fizarana fanomezana toy ny T-shirt, lambaony samihafa, fampisehoana tsy andovam-bola… Hahazo ny anjarany avokoa ny faritra rehetra ary mivonona amin’ izany ireo kandià miisa 36. Hampahafantatra ny tenany izy sady hitanisa vina sy programa mafilotra ihany koa. Miandrandra fifidianana ny vahoaka Malagasy ankehitriny satria miaina ao anaty fahantrana lalina ka manantena mpitondra matotra sy hendry fa tsy taitaitra no andrasany. Tsy ny vahoaka ihany no miandry fatratra izany fifidianana izany fa hatramin’ ireo antoko ihany koa. Hiankina amin’ ny vokam-pifidianana izay hivoaka ihany koa ny hoavin’ ireo antoko politika maro. Arakaraka ny vokatra azo no vao mainka hampiroborobo na tsia ireny antoko ireny. Miankina amin’ ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena ny ho fifandanjan-kery amin’ ny fifidianana manaraka rehetra dia ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ ny tanàna amin’ ny taona ho avy. Amin’ ny ankapobeany, manaraka ny onja aorian’ny fametrahana ny filoham-pirenena ny firehana matanjaka eto amin’ ny firenena. Hanao izay ho afany ireo antoko handray anjara sy hifaninana amin’ity fifidianana 2018 ity. Marihana fa hisy ny tatitra ataon’ ireo kandidà filoham-pirenena ka tatitra izay vola nampiasainy aorian’ny fampielezan-kevitra, izay omena an’ ny CCFVP(Commission des contrôles de financement de la vie politique). Samy mila fiovana ny rehetra ka aoka isika vahoaka samy hiaro ny safidiny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.